]
Les quotidiens du 19 Jun 2013
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagate video et affiche C.A.S.T. milalao ny sanganasan’i Georg Friedrich Haendel

C.A.S.T. milalao ny sanganasan’i Georg Friedrich Haendel

Indro ny akon’ny fitoriana ny Evanjely na ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny Mozika klasika nandritra ny kaonseritra klasika (CONCERT DE MUSIQUE CLASSIQUE SYMPHONIQUE RELIGIEUSE), nataon’ny C.A.S.T.(Choeur Artistique et Spirituel de Tanà) tao amin’ny Ekar Masindahy Michel Itaosy, ny asabotsy 14 jolay 2012 teo nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro.

Tafitan’ny C.A.S.T. ny “Messiah” sangan’asan’i Georg Friedrich Haendel ny ny asabotsy 14 jolay 2012 lasa teo tao amin’ny Ekar Saint Michel, izay nadikan’i Lucien Emmanuel Randrianarivelo tamin’ny solfa sy tamin’ny teny malagasy ranoray. Inty no kaonseritra voalohany tamin’ity taona ity. Endrika vaovao voalohany koa izao satria sambany nohirain’ny C.A.S.T.(Choeur Artistique et Spirituel de Tanà) tamin’ny androatokony ity famoronana nataon’i G.F. Haendel ity, raha ampahany hatrany no natao hatramin’izay. Nampianatra ny hira i Jules Randriamanantsoa, izay misahana ny feo fahefatra (basse).

Hira 33 amin’ireo 53 ao anatin’io amboara io no nohirain’izy ireo niaraka tamin’ireo mpitendry miara-dia amin-dRakotoniaina Casimir, notarihin’I Eric Rasamimanana nandritra ny adiny roa sy sasany. Nohamafisin’ny filohan’iy CAST, Liva Ramanalinarivo fa anjara biriky entin’izy ireo ho fampielezana ny Vaovao Mahafaly na ny Filazantsara ho an’ny rehetra no ataon’izy ireo, amin’ny alalan’ny fizaràna izany anaty mozika klasika.

Antoko mpihira tsy miankina amin’ny fiangonana fa miara-miasa amin’ny fiangonana sy ny antokom-pinoana rehetra ny CAST izay niorina tamin’ny 16 marsa 2003. Maro ny fitoriana ny Evanjely na ny Filazantsara efa nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny mozika klasika. Hankalaza ny faha-10 taonany izy ireo amin’ny taona ho avy (2013).

Ny mpampita vaovao :

Zoelson Randrianindrina

Mis à jour ( Dimanche, 15 Juillet 2012 15:46 )  
Bannière

Madagate Web-TV

Madagate Affiche

 

Madagascar-France : attention aux faux visas et faux certificats de nationalité

 

Rasoambolanoro : 103 ans, çà mérite un souvenir impérissable

...

 

Hanitrarivo Rasoanaivo : candidate députée pour le IIème Arr. d’Antananarivo

 

Vinany Tempoly Malala 50 taona: Hazakazaka PHOTOS 1

 

Vinany Tempoly Malala 50 taona: Hazakazaka PHOTOS 2

 

Vinany Tempoly Malala 50 taona: Hazakazaka PHOTOS 3

 

Vinany Tempoly Malala 50 taona: Hazakazaka PHOTOS 4

 

Antananarivo : le Suédois SIA Home Fashion est arrivé, géré par une Malagasy !