]
Les quotidiens du 25 May 2013
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagate video et affiche Olga Ramaroson: ny maha olona ny olona dia ny fananany trano fonenana

Olga Ramaroson: ny maha olona ny olona dia ny fananany trano fonenana

Notanterahina ny 15 Mey 2012 tany amin’ny kaominina Ampanotokana, Distrikan’Ambohitratrimo, ny fanamarihana ofisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fianakaviana, izay notronin’ny minisitry ny Fahasalamana sy ireo solontena avy amin’ny filan-kevitra Ambony ny Tetezamita (CST), ary ny solontenan’ny Kongresy ny tetezamita (CT) sy ny Lehiben’ny faritra Analamanga.

Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nisy fampirantiana samihafa mahakasika ny fianam-pianakaviana. Ny nampiavaka  io 15 Mey io ny fanehoan’ireo tanora mpianatra avy amin’ny lycée ao Ampanotokana, ny tantara an-tsehatra mitory ny maha zava-dehibe ny fianakaviana sy ny fifampitondrana eo amin’ny Ray sy Reny ary ny zanaka.

Amin’ny maha fankalazana ny Fianakaviana azy dia saika nahazo fanomezana sy fanampiana avokoa ny sarangan’olona, toy ny votsa, ny zokiolona, ary indrindra fa ireo Fianakaviana mendrika miisa folo, izay nahazo bodofotsy roa avy, savony, radio mandeha amin’ny masoandro (« radio solaire »), ary marimpankasitrahana. Nisy ihany koa ny fizarana kara-tany hoan’ny fianakaviana miisa dimy.

Kabarin’ny minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Ramatoa Olga Ramaroson, nandimby an'i Nadine Ramaroson, ilay minisitra tsy adino mandrakizay

Miarahaba ny Ray, manaja ny Reny, Mankasitraka ny zanaka. Ny fitambaran’ireo mantsy no atao hoe : Ankohonana telo, ary ny fihitaran’izany  ankohonana izany  no atao hoe : Fianakaviana.

Isaorana manokana ny Benin’ny tanànan’Ampanotokana nandray  ity fankalazana ity, satria noho ny asa vitanao teto amin’ny Kaominina sy ny fahasahianao miaro izany atao hoe Fianakaviana izany, ny fahafoizanao ny tenanao hatrany am-pita ka mitohy eto Madagasikara mikarakara ny Vehivavy sy ny Ankizy, no nifidiananay ao amin’ny minisitera ny monina  ny kaominina  tantananao.

Lohahevitra nofidiana amin’ity taona ity ny hoe : « Zara asa sahaza ny tsirairay eo anivon’ny ankohonana, antoky ny fivelaran’ny fianam-pianakaviana ».

Tsy takona afenina amintsika mianakavy anefa fa latsaka an-katerena ny Fianakaviana Malagasy, ka izany fahantrana mianjady aminy izany dia mahatonga ny fiovana toe-tsaina sy toe-pomba ihany koa. Tsy mifanaja intsony ny ao ao an-tokatrano fa samy olon-ko azy, ny  matanjaka manao didin-kofehy lehibe ary ny osa mivari-lavo.

Koa amin’izao fankalazana ny andro natokana ho an’ny fianakaviana izao dia handray an-tànana ny hoavintsika isika, samy  handray andraikitra  tandrify sy sahaza arahin’ny fifanajana. Tsarovy ary aza adino fa ny Malagasy dia mandala izany atao hoe : Fihavanana. Izany hoe mpihavana mifamelona sy mifanampy isika mianakavy. Averimbereno ao an-tsaina fa tsy mahantra fa sahirana. Na izany aza manam-potana isika hidio vatana sy hanadio fonenana ; manam-potoana isika  hitadiavana sy hiasana ary tsy maintsy manam-potoana isika hifampidinihana sy hifakalozana samy mpianakavy. Haverintsika izay fifampitondrana sy fifampifehezana izay ho  fivelaran’ny fianakaviana.

Izahay ato amin’ny Minisitera ny Mponina sy ny Raharaha sosialy dia tsy mikely soroka mampahafantatra sy miady ny Zon’ny Vahoaka. Tsy hanimba fety aho  fa hampatsiahy vetivety. Misy ohabolana haintsika loatra ireto : « Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo ; jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy ». Manaporofo izany fa ny maha olona  ny olona dia ny fananany trano fonenana.

Ankehitriny anefa dia an-tapitrisany maro no iharan’ny tsindry hazo lena ka very trano fonenana. Koa mandrisika anareo Ray aman-dreny handray fanapahan-kevitra hiaro ireo Fianakaviana ireo satria ny tokantrano, Tompoko, tsy ahahaka. Ary izany fahakiviana izany dia miteraka fanandramana ny tsy  fahita masoandro rehetra.

Ary farany : hoantsika Vehivavy izay mieritreritra sy voatambitamby fa ny fandaozana Tanindrazana ho any an-tanin’olona no vahaolana : aleo sahirana an-Tanindrazana toy izay fadiranovana an-tanin’olona. Andaho hanome ohatra tsara ireto zanaka vavy varian-drendrarendra ireto. Izay no hahatsapana fa Fianakaviana isika  satria mifampitsinjo sy mifanome-tanana. Koa manomboka androany dia ho :

Fianakaviana Misaina - Fianakaviana Miasa - Fianakaviana Mihary

Ramatoa Olga Ramaroson, minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Nanadiady tany an-toerana:

www.madagate.com – Sary: Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 17 Mai 2012 11:34 )  
Bannière

Madagate Web-TV

Madagate Affiche

 

Georges Moustaki : le « Métèque » est décédé à l’âge de 79 ans

...

 

Madagascar-Alliance française : Jean Michel Frachet promu Chevalier de l’Ordre national

 

Foire internationale de Madagascar 2013: Jour-J le 23 mai

 

Madagascar: Pub interdite sur les dispositifs médicaux

 

Madagascar : 700.000 euros de l’Allemagne pour le projet « Miara-miarina »

 

La City Ivandry Antananarivo: Une semaine de la Culture exceptionnelle

 

Amoron'Imania: Fankalazana ny Andro eran-tany ho an'ny Fianakaviana 2013

 

Antananarivo : voyage d’étude de l’école Mialin-jaza d’Ambatondrazaka

...